Resabe hatry ny omaly teto an-drenivohitra ny hoe :mangataka ny hahazo « 13čme mois » ireo depiote, izany hoe vatan-karama feno atao kadoa raisina aorian’ny fandraisana ny karama sy ny tambin-karama rehetra amin’ny volana desambra
Fahasosorana sy fahatezerana ny an’ny olona rehetra nandre io resaka io, na ateny an-dalambe izany na tany anaty fiara na tany an-trano. Tahaka izao amin’ny ankapobeny raha fintinina ny fanontaniana napetraak’izy ireo : fa tsy efa ampy ve ny karama be isam-bolana raisin’ny depiote, tsy resahana ny vola be hafa tsy fanta-piaviana no mbola midongy hahazo 13ème mois ihany ? Maro ny olona miasa mafy any amin’ny orinasa no miandrandra ity karama kadoa isaky ny faran’ny taona ity saingy tsy mahazo satria milaza ny orinasa fa tena mbola ao anaty krizy izao. Ny firenena ihany koa dia mbola anaty krizy lalina ka tena mahatalanjona ihany ity fitiavan-tenan’ny olom-boafidy (ny sasantsasany fa tsy izy rehetra tsy akory) mangata-bola sy tombontsoa lava ity e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.