Politique

Depiote Michel Ambalavato Manohana tanteraka ny praiminisitra


  • Alarobia 29 Oktobra 2014

« Miandry vokatra ny vahoaka Andriamatoa Praiminisitra ka tsy hisy izany fitsipaham-pitokisana izany avy aminay solombavambahoaka, saingy misy ireo minisitra tsy mamokatra, dia zonao ny manova azy fa manaratsy endrika anao izany », hoy ny Depiote Michel Ambalavato voafidy tao Antsirabe voalohany nandritra ny fandraisany fitenenana tamin’ny lanonana fanamarihana ny fanombohan’ny herinadron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza tany an-toerana.

Gaga avokoa moa ny rehetra tamin’ity lahateniny ity ka nifanontany tena. Raha nanontaniana ny heviny taorian’izay dia nambarany fa manohana amin’ny lafiny asa, hono, ny tenany amin’ny zavatra tokony hatao ao Antsirabe. Ankoatra izay dia nambarany fa nisy ny fifampiresahany tamin’ny Praiminisitra mikasika ny firosoana amin’ny fampihavanana ka izay no nanohanany azy. Raha nanontaniana izy mikasika ireo solombavambahoaka 101 izay nahoraka fa nahazo vola dia nambarany fa vao avy any andafy ny tenany. Nohamafisiny fa mila fanavaozana ny governemanta ka ireo minisitra tsy mivoy ny fampihavanana dia angatahiny ny fanesorana azy ireny ao amin’ny governemanta.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT