Politique

Depiote Mara Niarisy “Tsy foanan’ny basy ny mpangalatra omby”


  • Talata 15 Septambra 2015

“Ambarako etoana fa tsy ho foanan’ny basy, tsy foanan’ny ramatahora ary koa tsy foanan’ny mpitandro ny filaminana irery ny halatra omby any Atsimo”, hoy ny depiote Mara Niarisy voafidy tany amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo Faritanin’i Toliara

 

. Atao ahoana no hibaiko amin’ny basy ny ao amin’ny minisiteran’ny atitany amin’ny famoahana ny FIB ? Atao ahoana ny fampiasana ny basy amin’ny famoahan’ny minisiteran’ny fiompiana ny karatra vakisinin’omby sy ny ny fananganana labatoara ? Ireo rehetra voalaza teo ireo anefa dia anisan’ny fanadiovam-bola ao anatin’ity halatra omby ity avokoa. Raha ny marina, hoy ity depiote ity, dia tsy maintsy hifandrimbonan’ny rehetra ny ady amin’ity sehatra ity ka hiaraka hisalahy amin’izany ny minisiteran’ny atitany, ny fitsarana, ny fiompiana ary ny vahoaka. Tsy maintsy homena fahefana feno ireo mponina ao an-tanàna izay tena mahay tsara ny toerana sy mahafantatra ny ataon’ireo mpangalatra omby ireo. Mpangalatra omby, hoy i Mara Niarisy manamafy, fa tsy misy intsony izany dahalo izany satria rehefa andro fahavaratra ireo dia mirotsaka mamboly ihany koa eny an-tanàna anilan’ny vady aman-janany. Ny hoe dahalo anefa dia olona mihalohalo any an’ala samy irery any no tena heviny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT