Voizin’ny fitondrana ankehitriny, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote TIM lany tao amin’ny boriborintany faha-3 eto Antananarivo, Mamy Rajaonson fa miha reraky ny tolona ny Malagasy.
Ny zava-nisy nentin’izao fitondrana izao nandritry ny 4 taona no tena nandreraka ny vahoaka ka ny tolona sisa no mba manome aina azy. Io no hahafahany mitaky ny fampitsaharana izay nandreraka azy, raha ny fanehoan-kevitr’ity depiote ity hatrany. Ny tsy hisian’ny kolikoly, jadona, ny tsy fampandrosoana, ny tsy fandriampahalemana sy izay ratsy rehetra intsony no tanjonay depiote 73, hoy ity solombavambahoaka ity ka rehefa tanteraka ireo dia afa-po izahay. Mialoha ny hirosoana amin’ny dingana hafa anefa, hoy izy, dia mangataka ny mpitondra mba hiala moramora fa tsy hisy haninona azy ireo akory.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.