Politique

Depiote MAMOD ALI Hawel Nidongy tety ivelany tsy nanatrika ny telethon tao an-dapa


  • Alarobia 04 Martsa 2015

Ankoatra ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena sy ireo depiote vitsivitsy nanotrona ny filohany, Rakotomamonjy Jean Max, tamin’ny fanatanterahana ny fanangonana ny tsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina na teléthon tao an-dapan’i Tsimbazaza omaly talata dia nahatazanana solombavambahoaka

 

maromaro ihany koa tety an-tokotanin’ity lapa ity izay nivezivezy fotsiny teo fa tsy nanotrona ny lanonana natao tao amin’ny “Hall” ny trano lehibe. Anisan’izy ireo ny solombavambahoaka  voafidy tany amin’ny distrikan’i Morondava, ny depiote Mamod Ali Hawel, izay nanamarika fa tsy nanatrika ity lanonana ity ny tenany satria mihevitra fa Telethon ho an’ny traboinan’Analamanga sy Sabotsy Namehana manokana ity natao tao Tsimbazaza ity. “Fa taiza ny filoha Rakotomamonjy Jean Max tamin’ny nisiana traboina  sy fahafatesan’olona maro tany Morondava ireny ?”, hoy izy, toa tsy mba nanao fihetsika tahaka izao ?  Mbola misy ve izany vahoakan’i Morondava izany ? Tsy mirary fahoriana hafa hianjady amin’ity firenena ity ny tenako, hoy izy, fa ho hita eo izay hiseho rehefa any an-toeran-kafa no tena voadona mafy, na hivaly na tsia izao natao izao.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT