Naneho ny heviny tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina mikasika ny fahitany ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ny depiote anisan’ireo 79 manohana ny fitondrana HVM, Ludovic Andriamarotia, omaly.
Manaiky ny fanapahan-kevitry ny HCC izahay, hoy ny tenany, satria midika ireny fa nisy lesoka tao amin’ny governemanta. Mikasika ny resaka fananganana ny fitsarana avo na HCJ dia nilaza ity depiote lany tao Betioky Atsimo ity fa tokony hampitsahatra ny korontana ny efa fivoahan’ireo mpikambana ao anatin’izany. Ny vazaha no manakorontana, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.