Efa tazana nivory teny amin’ny antenimieram-pirenana ary hita ho salama tsara omaly ny solombavambahoaka Mapar Lanto Rakotomanga izay voarohirohy amin’ilay raharaha 200 tapitrisa ariary tratra tetsy Namontana. Vonton-dranomaso tanteraka ny vehivavy rehefa nahita ny firaisankinan’ireo depiote rehetra tsy an-kanavaka nanohana ny fahatongavany tamin’ny alalan’ny tehaka lava reny sy ny fiarahabana manokana nataon’ireo namany azy.
Nolavin’ny birao maharitry ny antenimieram-pirenana ny fangatahan’ny mpitandro filaminana hanao famotorana sy haka am-bavany azy, fantatra fa anisan’ny tafiditra tao anatin’ireo fepera napetraky ny solombavambahoaka mialoha ny hanohizana ny dinika amin’ny filoham-pirenena ny fampitsaharana ny fanenjehana ity solombavambahoaka iray ity.Mikatso aloha izany hatreto ny fanadihadiana satria ilay olona voakasika mivantana amin’ny raharaha no tsy mbola vita fanadihadiana ka sarotra ny mamantatra ny marina rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.