Marary mafy tsaboina ao amin’ny Polyclinique Ilafy ny solombavambahoaka Mapar voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa Antananarivo renivohitra Lanto Rakotomanga. Ny dokotera milaza fa ratsy ny toe-pahasalamany, ny olona akaiky azy ihany koa milaza omaly fa miady amin’ny fahafatesana izy. Izany dia vokatry ny setroka baomba mandatsa-dranomaso nisesy nanempotra azy nandritra ny fanakanan’ny mpitandro ny filaminana azy hisavana tamin-kery ny fiara nentiny ny alin’ny alatsinainy teo teny amin’ny “Boulevard de l’Europe” Namontana.
Hitory ny mpitandro filaminana
Hitory ny mpitandro ny filaminana ramatoa Solombavambahoaka Lanto Rakotomanga taorian’ny fisavana nataon’ny mpitandro ny filaminan’ny Emmo Far sy ny nanimbana ny fiarany. Araka ny andininy faha-9, 10, 11,12 ary faha-73 dia maro ny fandikan-dalàna izay nataon’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fisavana ny fiarany. Tsy nohajaina ny «immunité parlementaire»-n’ny depiote Lanto Rakotomanga, hoy ny Maitre Razafimahefa Sylvain, mpiaro azy. Araka ny nambarany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena dia mitentina 240 tapitrisa Ariary ireo vola tao anaty fiara ary saika halefa any amin’ireo kandida ben’ny tanànan’ny Mapar eran’i Madagasikara hanonerana ny volan’izy ireo. Tsy hitako izay heloka ambodiomby nataon’ity Solombavambahoaka ity ka tsy nanajana ny zony sy nampahoriana azy ary volany am-bata ireny vola ireny, hoy hatrany ny fanazavana. Noho ny fanemporana azy tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izay nalatsaka tao anaty fiarany nony vaky ny fitaratra hoy hatrany ity mpisolovava ity dia mbola marary mafy eny amin’ny hopitaly ity Solombavambahoaka ity. Araka ny vaovao voaray teny Tsimbazaza dia fantatra fa efa tao amin’ny hotely Carlton no niresaka tamin-dramatoa Lanto Rakotomanga ireny mpitandro ny filaminanana nisava azy ireny saingy namela azy hody. Gaga anefa izahay nony avy eo fa nanaraka indray ireo mpitandro ny filaminana ary nibahana ny lalany, hoy ireo Solombavambahoaka naharaka ny fizotry ny tantara. Ho an’ireo Solombavambahoaka izay tonga nivory teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza omaly ihany koa dia nanameloka avokoa ny fihetsika natao tamin’ity naman’izy ireo ity. Ny depiote Naivo Raholdina koa dia nanamafy fa nisy mpitandro ny filaminana nanaraka ny alin’ny alatsinainy teo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.