Tena fanalam-baraka ny Solombavambahoaka sy tsy fanomezana hasina ny Antenimiera ny teny nataon’ny filoham-pirenena ireny, hoy ny depiote Jean Michel Henri avy any Ambovombe Androy.
Izahay dia sahy milaza, hoy izy, fa betsaka ny fandikan-dalàna nataony fa « goutte d’eau qui fait déborder la vase » iny fanaovany sonia ny fehin-kevitry fihaonambem-pirenena teny amin’ny CCI Ivato farany teo iny. Ka diso tanteraka ny filazana fa resaka fitakiana 4 x 4 no anton’ny fametrahan’ny depiote « motion d’empêchement”. Tena hitrikitrihanay fa antony dia ny nankatoavany an’iny fehinkevitry ny “assise nationale” iny izay nampanakoako ny fandravana ireo rafi-panjakana efa nijoro tamin’ny fomba demokratika. Tena mitarika tsy fitoniana eto amin’ny firenena izany ary azo ambara fa ny filoham-pirenena ankehitriny no mivoy tsy fitoniana eto ary tena mandika ny lalàmpanorenana. Manampy trotraka izany ny tsy nandinihan’ny fitondrana ny tolo-dalàna natolotry ny Antenimiera tahaka ny CEI … , ny tsy fametrahana ny “Haute cour de justice” hatramin’izao araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ihany. Farany dia manakiana ny fomba fiasan’ny Televiziona Malagasy izahay izay mbola manohy ny tsy filazana ny zava-misy marina eto amin’ny firenena nefa dia volam-bahoaka no hanaramana azy ireo fa tsy ny fanjakana no antom-pisiany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.