Mitohy hatrany ny fanambarana ataon’ny fikambanana, olon-tsotra, mpanao politika,… ny fanohanany ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25.
Naneho izany tamim-pomba ofisialy ny depioten’Antalaha Laisoa Jean Pierre dit Jaovato, izay vao nahafantatra fa tafiakatra fihodinana faharoa i Marc Ravalomanana no tsikaritra ny fanohanany azy. Isan’ny tena manetsika ny olona any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy iny izy, raha vao nanomboka ny fampielezan-kevitra. Ny antony naharesy laharatra azy voalohany ny amin’ny maha raiamandreny an’i Marc Ravalomanana. Faharoa, ny olona atao hoe « expérimenté » amin’ny fiainana, hoy i Jaovato dia olona avy nanao « erreur », ka mino aho fa i Marc Ravalomanana tsy hamerina ny « erreur » nataony taloha ary manantena fampandrosoana aminy aho. « Niaraha-nahita ihany koa fa nisy azo tsapain-tanana tamin’ny fitondrany, raha tsy hiteny afa-tsy ny làlana Sambava-Antalaha. Tamin’ny andro niainako, nanonofy izany hoe ho vita « goudron » io lalana io », hoy i Laisoa Jean Pierre. Tsy arakaraka ny fanaratsiana amin’ny hoe: hampitovy ny vidin’ny lavanila amin’ny ovy, fa tamin’ny fitondran-dRavalomanana (2002-2003) ihany koa no nampiakatra avo voalohany ny vidin’ny lavanila 4 hetsy Ariary ka hatramin’ny 6 hetsy Ariary ny kilao, fa nony tonga teo ny fitondrana tetezamita, naongana i Marc Ravalomanana, dia nitotongana nanaraka an’izay ny vidin’ny lavanila, ary izay no nahatonga anay hanohana an-dRavalomanana, hoy hatrany i depiote Laisoa Jean Pierre, izay mahalala tsara ny zava-misy any an-toerana amin’ny maha olom-boafidy azy, ary vavolombelon’ny tantara ihany koa mazava ho azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.