Politique

Depiote Jaovato Manana olana amin’ny Banky


  • Talata 14 Aogositra 2018

Velon-taraina ny depioten’Antalaha Laisoa Jean Pierre na Jaovato satria tsy mety miara-miasa aminy ireo banky misy eto Madagasikara, na ireo banky lehibe io na ny banky amin’ny resaka fampiasam-bola madinika.

 

 Nisy ny ahiahina famotsiam-bola ka nanadihadiana ny vadiny tamin’ny 2017, saingy efa voalaza tamin’izany fotoana fa tsy mitombina ny ahiahy satria mazava tsara daholo ny kaontim-bola. Efa nisy ihany koa, raha ny filazany ny taratasy nalefany tany amin’ny kaomisiona mpanara-maso ny banky sy ny fampiasam-bola (CSBF) sy ny Sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola (SAMIFIN) nangatahany fanazavana ny amin’ny tsy hahafahany mampiasa kaonty any amin’ny banky saingy tsy nahazoam-baliny hatramin’izao. Mampalahelo ny tranga tahaka izao, hoy ny depiote Jaovato satria tsy fantatra ny antony hampifilafilana anay. Nanizingizina izy fa tsy mbola nanana olana tamin’ny resaka fandoavam-bola na famerenam-bola tamin’ny banky. “Ka inona ary no anton’izao karazana antsojay izao ?”, hoy izy. Nahitsy ny teniny nilaza fa vahiny avokoa no tompon’ireo banky lehibe eto Madagasikara, ny mpandraharaha vahiny izay tsy miasa saina amin’ny tombontsoa mety ho azon’ny mpandraharaha Malagasy no tena mahazo tombony, hoy izy. Ahoana moa no hahafahan’ny mpandraharaha Malagasy mivelatra raha toa ka iharan’ny fiangarana izy ireo ? Marihana fa anisan’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko HVM ny depiote Laisoa Jean Pierre ary nalaza be fa anisan’ny tena nanampy ny fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina tany amin’iny faritr’i SAVA iny tamin’ny 2013. Mpandraharaha amin’ny resaka boaderozy no tena nahafantaran’ny maro azy mialoha ny nidirany tamin’ny politika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT