Nampiteny ny anarany indray ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano Atoa Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite izay parlemantera HVM.
Nikasa hanao tolona sendikaly ireo mpampianatra sy mpanabe omaly tetsy amin`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena (MEN) Anosy omaly. Tamin`ny sivy ora maraina, taitra avokoa ireo mpampianatra raha nahita ny depiote Jaona Elite teny an-toerana. Nangataka hiditra tao amin`ny minisitera izy ireo amin`ny maha fitakiana sendikaly ny fitokonany saingy tsy nahazo alalana ary nandeha ny fifampiresahana teo amin`ny roa tonta. Nihidy tanteraka ny vavahadin`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena ary tsy azon`ny mpitokona nidirana tao amin`ny faritry ny minisitera. Tsikaritra ihany koa fa feno mpitandro filaminanan teny an-toerana. Tamin`ny sivy ora sasany kosa, tafiditra tao antin`ny faritry ny MEN ireo mpitokona ka raikitra indray ny fifamaliana. Ho fitakiana ny fanatsaràna ny tontolon` ny fampianarana no anton`izao fitokonana sendikaly izao eto Madagasikara hoy ireo mpampianatra etsy andaniny. Tsy manaiky ny hisian`ny fitokonana kosa ireo mpampianatra sasany ary mitaky hanantanterahana malalaka ny fanadinanam-panjakana ireo ray aman-dreny etsy ankilany izay. Nanomboka ny fihantsiana teo amin`ny roa tonta ary niafara tamin`ny fikasihan-tanan’ireo mpampianatra sy mpanabe nataon`ireo mpiambina sy olona voalaza fa no karamain`ity depioten`Atsimondrano ity. Voalaza ihany koa fa nanakorontana ny fitakiana am-pilaminana ireo mpampianatra-mpanabe i Jaona Elite. Tsy tokony hisy ny fitsabahany amin`izao fitakiana sendikaly izao; hoy ny mpitondra tenin`ireo mpampianatra. Nanambara kosa ny depiote Jaona Elite fa tokony hisy ny fifanajana satria solontenan`ny vahoaka ny tenany, ary solombavambahoakan`i Madagasikara. Misy kosa ireo olona te hiasa ary miresaha ianareo amin`ireo tompon`andraikitra arak any fanazavany. Nilaza ny tenany fa matoa tonga teny an-toerana dia ho fiarovana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana amin`ity taona ity mba tsy ho taona fotsy. Tsy taitra mihitsy i Jaona Elite nilaza fa efa misy ny fifanarahana amin`ny governemanta iraisana ka any no tokony hitaraina sy hanazava ny fitakian`ireo mmpampianatra. Niha mafy ny fifamaliana ary nanamafy hatrany ireo mpampianatra fa tsy nahavita na inona inona ity depiote ity nandritra izay efa-taona izay. Noho izany, hita taratra fa mbola mandeha
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.