Resy lahatra ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ao anatin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara fa tsy horaisina eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fitoriana avy amin’ireo depiote vonona ny hampiato ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany.
Ahitana lesoka ara-paika sy ifotony mantsy ity fikasan’ireo solombavambahoaka te hanala ny filoham-pirenena amin’ny toerana, araka ny fanazavan’izy 26 mianadahy nandao ny lapan’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fandatsaham-bato ny talata lasa teo. Tsy fantatra marina ny isan’ireo depiote niatrika ny fifidianana no tsy naseho mazava ireo anton’ny fitakiana ny fanalana ny filoham-panjakana, hoy ny feo heno teny amin’ny hotely Colbert omaly. Ambadika politika io fanonganana ny filoha Rajaonarimampianina Hery io, hoy ireo solombavambahoaka HVM. Anisan’izany ny fanakanana ny fanatanterahana ny kaominaly sy ny fatahoran’ireo sokajin’olona sasany ilay lalàna momba ny andramena. Tany tan-dalàna i Madagasikara ka manaiky izay ho fanapahan-kevitry ny HCC ireto mpiara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika ireto, araka ny nambaran’izy ireo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.