Politique

Depiote Horace sy ny TIM Boriborintany faha-6 Nanentana ny mpifidy hiomana amin’ny fihodinana faha-2


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Raikitra ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana fihodinana faharoa ho an’ny antoko TIM ao amin’ny Boriborintany faha-6 eo amin’ny fanohanana ny Kandida n°25, Marc Ravalomanana, ho filoha hitondra indray ny firenena Malagasy hanomboka amin’ny 19 desambra 2018 izao.

 

 

 

 Vory lanona teny Ambohimanarina tamin’ny alatsinainy 19 novambra teo ireo mpikambana TIM eny ifotony ao anatin’ity boriborintany ity notarihin'ireo filohan’ny Fokotim miisa 31 miampy ireo mpanohana rehetra notarihin'ny depiote TIM,  Marie Horace Rasoanoromalala sy ny filohan’ny Distim Gabriel Rafiliberasoa sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny solontenan’ny mpanolotsain’ny tanàna notarihan-dRajaonarivony Faly, ny solontenan’ny fikambanana hafa mpanohana. Nisy sahady fizarana asa sy andraikitra tamin’izany ho fanarenana ny lesoka tamin’iny fifidiana fihodinana voalohany tamin’ny 7 novambra teo iny tahaka ny fanentanana ny rehetra izay resy lahatra amin’ny n°25 mba hijery ny karany eny amin’ny fokontany niaviany sao dia mbola misy tavela eny. Nentanina ihany koa ireo tsy nahazo karatra mihitsy mba hijery ny anarany sao voasoratra ihany ao anaty lisi-pifidianana mba hahazoany mifidy amin’ity fihodinana faharoa ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT