Politique

Depiote ho an’ny fanovana “Tsy miresaka amin’ny mpamono olona izahay”


  • Talata 08 Mey 2018

Nihaona tamin’ny SEFIP (Sehatra Eokiminika Fandinihana ny Fiainam-Pirenena) sy ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) teny Ambohimanoro omaly maraina ny solontenan’ireo depiote ho an’ny fanovana miisa 7.

Tafiditra ao anatin’ny dinika fikaroham-bahaolana amin’ny krizy politika misy eto amin’ny firenena ny anton-dresaka. Nametraka mazava izahay, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa fa miala aloha ny filoham-pirenena, miala ny filohan’ny antenimierandoholona, ravana ny governemanta izay vao miroso amin’ny fifampidinihana. Tsy hifampiresaka amin’ireo mpitondra ireo izahay ary tsy hanao fifanarahana politika amin-dry zareo, hoy izy raha nanao tatitra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Tsy azo iraisana latabatra ny mpamono olona sy mpanao kolikoly, hoy hatrany izy. Aoka hazava tsara ihany koa ny resaka fa izahay depiote 73 mianadahy ary izahay irery no olona ifampiresahana rehefa raikitra ny fifampidinihana fa tsy misy olona hafa. Fanambarana izay raha tsorina dia milaza hoe : tsy manan-kery ny fifampiresahana mety ataon’ny mpanelanelana amin’ireo lehiben’antoko na iza na iza satria ny depiote miaraka amin’ny vahoaka no tompon’ny tolona sy ny hetsika rehetra misy amin’izao fotoana. Ankoatra izay, mahitsy sady mazava tsara ny fanambaran’ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa raha niresaka fohy tamin’ny mpanao gazety izy omaly fa tsy mila an’i Joaquim Chissano hanelanelana eto intsony ny Malagasy satria efa izy no nametraka ilay « ni…ni » tamin’ny 2013 izay hita fa nanakorontana sy tena nampidi-kizo ny firenena. Afaka manampy ny sehatra iraisam-pirenena, hoy izy fa aoka ny samy Malagasy no hamaha ny olana. Tetsy an-kilan’izay dia naharitra ora 3 be izao ny fihaonan’ny iraka manokan’ny vondrona Afrikanina Atoa Ramtane Lamamra izay tompon’andraikitra voalohany momba ny filaminana sy fandriampahalemana aty Afrika tamin’ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha, omaly ihany. Tonga eto aho hijery sy hanangom-baovao momba ny zava-misy marina, hoy ity iraky ny vondrona Afrikanina ity ary hiezaka ny hifampiresaka amin’ny rehetra. Nihaona tamin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly ihany koa izy avy eo. Miara-dia aminy mandrakarika eny moa Rtoa Hawa Ahmed Youssouf, masoivohon’ny vondrona Afrikanina eto Madagasikara. Tsy fantatra mazava kosa hoe rahoviana izy ireo no hidinika amin’ny mpanohitra.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT