Politique

Depiote ho an’ny Fanovana “Tsy mbola vita ny tolona”


  • Alarobia 06 Jona 2018

Nangotraka ny adihevitra teny an-kianja omaly noho ny tsy fitoviam-pijery tamin’ny fomba nanendrena ny praiminisitra. Tsy nazava ny resaka fanolorana ny anarana, izay nambaran’ny TIM ny takarivan’ny alatsinainy fa tsy nakana ny heviny.

 Niaraha-naheno anefa ny fanambaran’ny MAPAR ny alina fa praiminisitra natolony i Ntsay Christian, raha hafa no nambara ny antoandro. Nisy ny fanelanelanana natao, ka tao anatin’izay dia voaantso tao anatin’ny fifampiresahana ny filoha Ravalomanana, Rajoelina ary ny filoha Rajaonarimampianina notarihin’ny solontenan’ny vondrona Iraisam-pirenena, izay manara-maso ny fampiharana ny didin’ny HCC, hoy kosa ny depiote Tinoka Roberto. Praiminisitry ny marimaritra iraisana ary tsy ao anatin’ilay manana fironana be i Ntsay Christian, hoy io depiote io. Izahay dia efa niteny hatramin’izay ary efa nohamafisina tamin’ny sabotsy lasa teo fa ekenay izay praiminisitra ataon’ny MAPAR fa ny fomba nanaovana azy no lavinay, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa. Diso ny solombavambahoaka Tinoka Roberto fa tsy nisy sonia nataon’i Marc Ravalomanana izany tany. Izaho miara-miasa akaiky aminy ary 3 andro izahay no niaraka. Tsoriko aminareo fa tsy voaantso teny Iavoloha na indray mandeha aza izy ary tsy nanao sonia. Misy zavatra entina hamitahana anay ao. Tsy hanala ny firaisankiananay izany, hoy izy. Ny zavatra noresahinay efa tamin’ny tapa-bolana ary efa fantatry ny olona, dia nandefa taratasy izahay tamin-dRajaonarimampianina, dia ny fankatahana zavatra 3 hoe : tsy mijanona ny tolona ary soniavina ny fanokafana ny tolona, tsy hanaovana antsojay politika intsony i Marc Ravalomanana satria olona manana ny maha izy azy sy afaka milatsaka ho fidiana, ary ny fahatelo, dia mijanona ny 13 mey rehefa mitsangana ny governemanta miaraka amin’ireto 73 depiote ireto ary mipetraka amin’ny tena izy ny marindrano rehetra, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa. Nosoniavinay izay fanontaniana izay rehefa neken’ny tany amin’ny lapan’i Iavoloha dia nalefa tany aminy dia notsinontsinoaviny, hoy hatrany io depiote io. Nentina nolazaina tamin’ireto MAPAR ireto hoe nandeha nanasonia an’izany ny TIM raha ny nambarany. Mila miray hina, ary mangataka mazava aminareo MAPAR izahay hoe hiaraka ve isika hanao io governamanta io sa samy hiady ho azy ? Hoy i Guy Rivo Randrianarisoa. Raha samy hiady ho azy, dia izahay tsy mila, ary tsy hanao io governemanta io ny TIM raha ohatra ka ady seza roa na telo, hoy izy. Tsy manintona anay izany, ary efa 9 taona izahay no teto ary hovitainay hatramin’ny farany io. Matoa izahay miady amin’io governemanta io, dia mahatoky fa nisy fiovana ireto solombavambahoaka ireto, hoy ny fanambarana. Niarahana teto ny tolona natao dia ny irianay mba hiarahana izay tolona rehetra izay, tahaka ny nanekenay ny praiminisitra natolotry ny MAPAR, hoy hatrany izy ireo. Tsy mbola vita ny tolona, toy ny fametrahana olona afaka ny hamaly ny fitakian’ny sendika maro, ny fifidianana madio,… Mangataka an'io Praiminisitra vaovao io ho avy eny amin'ny 13 mey hanao velirano amin'ny vahoaka Malagasy raha tena hanatanteraka ny hetahetany marina, ary tsy manaiky ny minisitry ny HVM hiverina eo koa, hoy kosa ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa, izay nandravona ny resaka.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT