Nitanjozotra namonjy ny minisiteran’ny rano sy ny angovo ary ny solika, minisiteran’ny tontolo iainana, minisiteran’ny vola, minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, minisiteran’ny mponina, ny teny amin’ny Jirama naka ireo mpiasa izay resy lahatra amin’ny tolona ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana sy ny mpanara-dia azy ireo maro be narahana fiara sy sorabaventy isan-karazany.
Manaja ny tsy mitovy hevitra aminay sy tsy mbola vonona hanaraka ny hetsika izahay, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nambarany ihany koa fa misy ny mpiasa iharan’ny teritery sy ny tsindry hazo lena ka rahonan’ireo lehibeny horoahina na tsy hahazo karama raha vao mitokona. Manome toky ireto solombavambahoaka ireto fa hijoro ary haka ireo mpiasa iharan’ny tsy rariny ireo kanefa te hitolona Hitohy anio zoma ny fitetezana minisitera. Momba an’ilay fanambarana nataon'ny foloalindahy indray dia nolazainy fa tsy matahotra fisamborana izy ireo fa mahatoky ny vahoaka izay lehiben’izy ireo. Tompon’andraikitra voalohany tamin’ny famonoana sy fandratran’olona teny Analakely tamin’ny 21 aprily ny mpitandro ny filaminana, hoy izy. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy natao hamono vahoaka, ary tsy natao haka fahefana anefa ny mpitandro ny filaminana, hoy izy. Diniho tsara ihany fa efa renay ny zavatra eritreretinareo hatao satria mahazo vaovao avy amin’ireo namanareo sasany izahay, hoy ny Me Hanitra. Mitohy ny tolona, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.