Politique

Depiote ho an’ny fanovana “Tsy haharava ny tolona ny teti-dratsinareo”


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Vao maraina omaly, dia tonga mangingina nanatitra ny “mémoire en defense” na fiarovan-tenan’ny filoha manoloana ny fitoriana azy ny mpisolovava azy notronin’ny parelemantera mpanohana ny fitondrana.

Nambara fa 85 ny loholona, ary loholona 79, izay manome 164. Dia ny tena no menatra, fa nanomboka oviana no 85 no isan’ny loholona eto ?  Tonga masiaka ny avy amin’ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka ny hariva. Ny depiote mpanao kolikoly no miaro filoham-pirenena mpanao kolikoly ka tsy mety izany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Tsy mandany andro hamaly an’iny “mémoire en défense” iny intsony isika na dia nambara aza fa manana 5 andro hahafahana manao izany satria mahatoky ny fitoriana nataonay, raha ny nambaran’ity mpisolovava sady depiote ity. Raha ny fanazavana teknika efa nataony, dia vao azo noraisina ny taratasin’ady, dia efa mazava izay fa makaty amintsika ny 50% amin’ny didim-pitsarana, ary ny 50% no hanatanterahana no antony mbola hanaovana ny tolona, hoy izy. Nanakoako teny an-kianja raha teo ny hoe: “Déchéance izao dia izao”. Fantatray ny teritery sy ny fandrabirabizana vola, fa raha vola avy amin’ny adala raiso fa adala tompo, fa ny fanahy aza amidy, hoy kosa ny hafatra niantefa tamin’ny HCC. Volabe hatrany amin’ny amin’ny 9 miliara moa no malaza fa notakiana tamin’ny mpandraharaha  karana sy sinoa homena ny mpikamban’ny HCC, raha ny nambaran’ny depiote Tinoka Roberto. Nipatrapatraka hatrany ny ampamoaka, ka volabe 22 miliara ariary tsy mazava tamin’ny fandraisana ny Frankofonia, ny fanamboarana ny tanànan’ny Frankofonia, ka ankoatra ny tanin’olona nobodoina dia tsy nisy antso nisy antso tolo-bidy mazava. Eo ihany koa ny volabe 5 hetsy dolara very sy nanjavona tany ivelany, nolazaina fa nomena kabinetra nitady famatsiam-bola.

Fikatsahana ra mandrika

Ny alakamisy alina dia nandeha ny fakam-baovao fa tamina tranon’olona teny Ambolokandrina nahavita “cocktail Molotov” miisa 15, ka nidina an-tsehatra teny ireo mpitandro ny filaminan’ny tolona eny an-kianja sy ny avy amin’ny briborintany faharoa ary ny Emmoreg, raha ny fanazavan’ny depiote Lanto Rakotomanga. Tratra ihany koa ilay mpanome vola ny “gros bras” teo Antanimbarinandriana. Mazava ho azy, fa nisy fikotrehana fanakorontanana na ra mandriaka mihitsy aza, saingy tsy nahomby ny teti-dratsy. Voatonona teny an-kianja moa ny anaran-dry Berija sy ry Jaona Elite ary ny filohan’ny fikambanana Zah Gasy Jean Navandahy Ratiarison ho ao ambadiky ny fanakaramana “gros bras” sy ny fanakorontanana. Niparitaka ihany koa ny resaka momba ny fizaram-bola nataona olona iray akaiky ny fitondrana teny Ambohitsorohitra, nitondra fiara tsy mataho-dalana miloko grénat. Nihaodihaody teny Ambohidahy moa i Jean Navadahy Ratiarison, izay nilaza fa nisy 8 lahy nidaroka, ka namoaka basy izy. Inona no tena anton-diany teny? Ary sao kosa noheverin’ireo olona teny ho nikasa hanao ratsy tokoa? Eo anatrehan’izany rehetra izany, dia mbola nivaivay ny hafatra ho an-dRajaonarimampianina, izay nilazan’i Lanto Rakotomanga fa efa betsaka ny fananany any andafy. Raha hendry ianao, dia mametra-pialana mialohan’ny hamoahan’ny HCC didy, ary aza miandry izany, fa tsy mivoaka velona eto ianao, fa mpanao ratsy, hoy ity depiote ity. Mitohy hatrany ny tolona, ary anio no hahafantarana bebe kokoa ny toromarika.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT