Politique

Depiote ho an’ny fanovana “Ny filoha asaina mitory raha sahy”


  • Alarobia 09 Mey 2018

Tsy miato ary tsy hiato ny tolona eny an-kianja raha tsy miala i Hery Rajaonarimampianina, araka ny toromariky ny depiote ho an’ny fanovana. Ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, ny mpiasan’ny antenimierandoholona no navoaka omaly.

Manomboka anio dia mikatso daholo ny raharaham-panjakana rehetra. Ny mpiasan'ny minisiteran'ny fitsarana sy ny an'ny Banky Foibe no hanampy isa ny eny an-kianja anio. Nalaza ny faran’ny herinandro teo ny ampamoakan’ny depiote Razafindrafito Lova na Popil, izay nilaza fa nantsoin’ny filoham-pirenena sy notambazana 200 tapitrisa ariary, ka nampiaka-pofona an-dRivo Rakotovao. Tsy ny volanao no nanambazana fa fijoroana vavolombelona, fa notambazana vola nenti-nampifidy io fatipatin-dalànareo io no nataony, ka rehefa tsy nanaiky ve izy dia hogadrainao sy hosamborinao, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Momba ny fitoriana azy fa hoe nanala-baràka ny filoham-pirenena dia hentitra ny depioten’ny fanovana nilaza fa, «tokony hisintona ny fitoriana nataony Rakotovao fa aleo Rajaonarimampianina no hitory raha te-hanao an'izany izy”. Ankoatra izay, mazava ny hafatra momba ny fifidianana : « tsy voafatotry ny daty omen'ny CENI izahay fa raha vao miala fotsiny Rajao dia vonona hiroso amin'ny fifidianana na rahampitso dia rahampitso aza. Tsy izy ihany fa ireo rafitra rehetra mpangalatra ireo. Allez ! Dehors ! Rehefa miala ianareo mianakavy, dia andeha hanao fifidianana madio”, hoy ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa, nitondra ny tenin’ireo depioten’ny fanovana.

Tsy mila an’i Chissano

Manao tohivakana moa ny fahatongavan’ny iraka avy any ivelany hanao fanelanelanana, ka nigadona omaly teto amintsika ny iraky ny SADC Joaquim Chissano. “Andriamatoa Chissano, izahay depioten’ny fanovana sy ny vahoaka Malagasy, dia tsy maniry sy tsy mila ny fanelanelananao… Ianao no fototry ny “ni…ni…” ary ankehitriny, dia mbola tonga hametraka izany eto aminay ihany indray ianao. Tsy mila anao izahay”, hoy ny hafatra nataon’i Hanitra Razafimanantsoa omaly. Hihaona amin’i Hery Rajaonarimampianina eny Iavoloha moa i Joaquim Chissano anio maraina. Efa niresaka tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny sy ireo masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara izy omaly hariva.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT