Nanjary nalalaka tsy voafehin’ny andininy faha 60 – 082 ao amin’ny lalàmpanorenana milaza ny amin’ny tokony hakana alalana mialoha ny hihetsiketsehana intsony ny fidinana an-dalambe eto Madagasikara taorian’ny 21 aprily teo.
Ity andinin-dalàna ity izay efa nampiady hevitra foana fa tsy manaja ny fenitry ny demokrasia. Lalàna kidaladala, hoy ry zareo avy eo anivon’ny antoko Teza. Lojika tokoa ve ny mangataka alalana ho tezitra ? Anisan’ny fampivoarana ny demokrasia nentin’ny tolon’ireo depiote 73 ihany koa ny fiofon’ireo mpitandro ny filaminana tsy ho hery famoretana intsony fa mba tena tandroka aron’ny vozon’ireo mpanao fihetsiketsehana. Inoana ihany koa fa efa mahatsapa sahady ireo mpitondra fa manana ny fetrany ny fahefan’izy ireo. Misy fetrany ihany koa ny herin’ny volabe. Na ny fianakaviambe iraisampirenena aza lasa sahin’ny mpanao politika domin-databatra fa tsy hivavahana foana toy ny hatramin’izay. Ny hirariana dia ny hahatongavan’ity tolona ity ho dingana fototra irosoana amina fampihavanana tena izy. Ireo mpomba ny TGV sy TIM nifanditra taloha tany anaty fianakaviana isanisany tany aza azo antoka fa efa maro no niverina nifampiresaka amin’ny fo madio amin’izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.