Politique

Depiote ho an’ny fanovana Hahazo 5 minitra isan’andro ao amin’ny RNM sy TVM


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Nangotraka ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly, izay nitohy tamin’ny alalan’ny diabe nihazo ny foiben’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM teny Anosy.

Mpitandro filaminana tsy tambo isaina no nanao sakana teny an-toerana teo anoloan’ny hotely Carlton, saingy vaky ihany ny barazy tamin’ny farany. Hiresaka tamin’ny tomponandraikitra noho ny tsy fanajana ny fifanarahana amin’ny fampitana ny vaovaon’ny tolona no antony. Nanohitra mafy ny hiatrehan’ny mpanao gazety ny resaka nifanaovana moa ny Filohan’ny ORTM Johary Ravoajanahary.  Raisiko am-boninahitra ianareo, hoy izy mantsy ny depiote, fa aleo tsy asiana mpanao gazety manaraka ity resaka ity. Tsy misy zavatra hafenina eto, fa aoka hijanona ny mpanao gazety amin’izay mba mitovy ny vaovao, hoy kosa ny depioten’ny fanovana tamin’ny alalan’i Tinoka Roberto. Nanaiky ny hivoahan’ny mpanao gazety ihany anefa izy ireo raha izay no hahafahan’ny resaka mandeha. Tratry ny hetraketraka sy ny herisetra indray izany ny mpanao gazety tamin’ity. Naharitra 30 minitra teo ny fihaonana, izay nafana dia nafana tokoa, ka tapaka fa handefa ny vaovao marim-pototra tsy tapahina eny an-kianja ny TVM sy RNM, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Isan’andro  dia tsy maintsy mandefa vaovao, toy ny ampahany amin’ny kabary, izany hoe tsy maintsy voahaja 5 minitra isan’andro satria io no tapaka nandritra ny fifampiresahana. Nanamafy ny tsy hiadiany hevitra amin’ny alalan’ny fandaharana hiarahana amin’ireo depiote mpanao kolikoly izy ireo, araka ny nambarany fa io fandefasana vaovao avy eny an-kianja io ihany no ilaina.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT