Politique

Depiote Hermann Razafindravelo “Mila traikefa, ekipa matotra ny fitantanana firenena”


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Samy miandry ny fanombohan`ny asan`ny filoham-pirenena vaovao ny rehetra izay hanomboka ny 18 janoary ho avy izao.

 

 

 

 Na dia tsy nanohana ny filoha vaovao ny depiote Hermann Razafindravelo, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, faritra Atsinanana, ary amin`ny maha demokraty azy dia mirary soa ny filoha vaovao mba hahavita ny asany sy hanatanteraka  ny fampanantenana izay nataony. Miankina kosa amin`ny finiavana politika ny fanatanterahana ny programa, indrindra ny fahavononana  satria izany no tsy ampy amin`ny fitondrana an`i Madagasikara. Raha afaka mametraka ekipa manana traikefa amin`ny sehatra rehetra ny filoha dia heveriko ho vitany, hoy izy. Ny olana, hoy ity depiote ity, izay prezida tonga dia ohatry ny misy tompony kanefa raha filohan`ny Malagasy rehetra izy dia tokony halalaka ny fijereny ny olona hiasa hiaraka aminy. Nomarihany fa ilaina ny fananana traikefa amin`ny fitantanana raharaham-panjakana. Miandry ny governemanta hijoro izy ary miandrandra olona za-draharaha afaka manampy avy hatrany ilay filoha. Notsipihany manokana fa miankina foana amin`ny finiavana politika ny zava-drehetra ary ny filoha no mahalala izay laharam-pahamehana kanefa tsy tokony hanadino ny filan`ny vahoaka, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT