Politique

Depiote Hary Andrianarivo Filohan’ny antenimieram-pirenena vonjimaika


  • Talata 09 Oktobra 2018

Tsy maintsy niala tamin’ny toerana amin’ny maha filohan’ny Antenimieram-pirenena azy i Jean Max Rakotomamonjy noho izy nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena.

 

 Ny solombavambahoaka Hary Andrianarivo no hisolo toerana azy ary rehefa vita ny fifidianana, dia afaka miverina amin’ny toerany ity filohana andrim-panjakana kandida filoham-pirenena ity. Hiantsoroka ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny antenimieram-pirenena izany ity depiote voafidy tany Ambositra ity. Tsara ny manamarika, fa raha tsy misy ny fiovana goavana noho ny raharaham-pirenena, dia hiditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny solombavambahoaka amin’ny tapak’ity volana ity. Maro ny lahadinika horesahina amin’izany, ary misy ny zavatra mety tsy hampoizina, raha kenonkenona sy resaka manomboka re amin’izao fotoana izao, toy ny resaka fanozongozonana na fitrongisana amin’ny toerany ny lehibena andrim-panjakana iray eto amin’ny firenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT