Niova fo hatramin’ireo depiote nametraka ny “motion de décheance” hanesorana filoham-pirenena amin’ny toerany ve ankehitriny ? Sa nisy rivotra inona no nandalo teny Tsimbazaza teny ? Lasa mivoy marindrano an’ilay “Pacte de résponsabilité”
daholo indray mantsy ny eny an-toerana amin’izao fotoana, eny fa hatramin’ireo izay nilaza ho tsy mankasitraka loatra an’ilay didy navoakan’ny HCC momba an’iny valin’ny fitoriana nataon-dry zareo iny aza. Anisan’izany ny depiote avy any Soavinandriana, Harinosy Rabenerika Charlot, izay nilaza mazava mihitsy teny Tsimbazaza fa raha ny heviny manokana dia tokony hivavaka mihitsy isika mianakavy ny hahatanteraka an’io fifampiresahana voalazan’ny Hcc io. Raha ny mahakasika an’ilay resaka fandefasana mivantana ny voalaza fa fifampiresahana ambava mivantana amin’ny haino aman-jerimpanjakana kosa izay nanovan’ny depiote maro anisa ny volavola fandaharam-potoam-pivorian’izy ireo dia nanambara ity depiote avy any Soavinandriana ity fa tsy adala akory ry zareo depiote, fa amin’ny maha olomboafidy misolotena ny vahoaka azy ireo dia olobe efa mahafantatra tsara izay hambarany avy ry zareo ka mahagaga ny hatahoran’ny minisitry ny serasera amin’io resaka mivantana io. Sahirana ny vahoaka ankehitriny, hoy izy tamin’ny farany, ka nisafidy ny nitarika lanonana tany amin’ny faritra ambanivolo any Soavinandriana izahay tamin’ny 26 jona ary voatery namaly ny fanontanian’ny mponina amin’ny tsy nahavitana ny lalana nampanantenaina hovitaina tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra niaraka tamin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fotoan’androny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.