Politique

Depiote Hanitra Razafimanantsoa Vonona ny hanao fanambaram-pananana izahay


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Vonona ny hanao fanambaram-pananana izahay depiote, hoy i Mr Hanitra Razafimantsoa filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’Antananarivo, saingy tokony mba hampitoviana lenta kosa ny andrim-panjakana isan-tsokajiny amin’ny fanaovana izany, na eny anivon’ny mpikambana amin’ny governemanta, na koa ny mpikambana Hcc …

Fa tsy izahay solombavambahoaka irery no terena hanao izany eny anivon’ny fitsarana avon’ny Lalàmpanorenana sady hoe hanambara ireo fananana novidiana rehetra hatramin’ny 5 taona efa lasa izay sarotra ny hitadidy izany rehetra izany. Izahay anefa mpanara-maso sy mpanatanteraka. Azo kianina ilay didy navoakan’ny Hcc, hoy izy, saingy tsy hanao izany ny tenako satria tsy azo hivalozana ny didy avoakan’ity andrim-panjakan ity. Ny manahirana anefa dia azon-dry zareo atao izany ny mandefa any amin’ny mpitaky hetra ny anton-taratasy voarainy ka mety hitarika hatrany amin’ny fanonganana anay tsy ho depiote intsony izany raha sanatria misy ny hetra tsy voaloa tao anatin’izay 5 taona izay. Ary ny mahavalalanina aza dia afaka mitory anay koa ny olon-tsotra araka ny voalazan’ilay volavolan-dalàna nahitsinay iny ka tsy mipetraka intsony ny maha izy ny solombavambahoaka eo anatrehan’izany. Iny volavolan-dalàna iny moa, hoy ity depiote voafidy teto Antananarivo Renivohitra ity, dia tamin’ny andro nitsanganan’ny “Comité Adhoc” no nandinihana azy ka raha hoe tsy manara-drafitra izany dia efa tafatsangana izao ny vaomieran’ny lalàna ety anivon’ny Antenimieram-pirenena ka afaka mampanara-drafitra ny fandaniana izany izahay.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT