Nanambara halina ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa raha nanontaniana fa tsy nakana ny hevitry ny Tiako I Madagasikara mihitsy ny fanendrena ny praiminisitra vaovao Christian Ntsay.
Famadihana ny depiote 73 ho an’ny fanovana, famadihana ny tolona ny fandraisana fanapahan-kevitra samirery (?) sy ny tsy fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka, hoy izy. Nambarany fa ho avy eny amin’ny kianjan’ny 13 mey tahaka ny mahazatra anio ireo depiote TIM ary hisy depiote MAPAR milaza ny ho avy hiaraka amin’izy ireo ihany koa. Hisy ny fanazavana tsy maintsy mbola hatao ary mitohy ny tolona, hoy izy. Ny antoandro teny an-kianja ny depiote Hanitra Razafimanantsoa dia nilaza fa tsy narahina araka ny tokony ho izy ny didim-pitsarana satria mbola misy mihevitra matanjaka be ary mbola any amin’ny ny fahefana, hoy izy. Isika ve izany tsy misy dikany ? Satria efa tsy mety manendry depiote avy amin’ny 73 ianao dia ianao no miala, hoy izy. Raha sanatria ka tsy avy amin’ny depiote 73 no hotendrena eo, dia ny hetahetantsika rehetra tsy misy tanteraka satria miova tanana ilay fahefana, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Hentitra izy nilaza fa tsy misy minisitra miverina izany eo na iza na iza, ary tsy manaiky izany ny depioten’ny fanovana amin’ny resaka fanendrena mpikamban’ny goverenemanta. Nafana tanteraka ny teny an-kianja omaly satria nanao ranolava ireo avy amin’ny sendika maro samihafa izay nampiseho ny heriny sy ny tanjany toy ny mpampianatra tamin’ny alalan’ny FM2F, ny Jirama, Instat,… Eny an-kianja indray mahita ny tohiny anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.