Politique

Depiote Hanitra Razafimanantsoa “Tena hiasa mafy izahay”


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Nanapa-kevitra ny kandida Marc Ravalomanana nanatsoaka ny fitoriana miisa 208 mba ho fitsinjovana ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny firenena, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.

 

 

 

 Tsy midika izany fa mety daholo sy nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana, fa ny kiana rahetra izay nataonay dia mitombina ary mbola mipetraka taorian’ny valim-pifidianana ofisialy navoakan’ny HCC omaly. Nisaotra ny HCC ity solontenan’ny kandida Marc Ravalomanana ity, ary naneho ihany koa fa tsy nifanalavitra tamin’ny voka-pifidianan’ny CENI ny valiny omaly. Somary nidina kely ny vato maty sy fotsy fa nahatratra 386 000 mahery. Ny elanelam-bato eo amin’ny kandida roa voalohany hiatrika ny fihodinana faharoa anefa, dia 192 000 mahery kely eo. Latsaka be mihoatra ny vato maty sy ny vato fotsy ny elanelanelam-bato raha tena mijery amin’ny fo tsy miangatra isika. Na nisy aza ny taham-pandraisana anjara 53% mahery, dia mbola maro ny olona tsy nifidy, ka manao antso ho an’ny rehetra tsy nifidy izay manana kara-pifidianana izy hanefa ny adidiny satria ny hoavin’ny firenena ao anatin’ny 5 taona no hojerena manomboka izao, hoy izy. Misaotra ny vahoaka Malagasy rehetra ny eo anivon’ny K25 niara-niandry am-pitoniana ny voka-pifidianana fihodinana voalohany. Hiasa mafy izahay, ary handresy lahatra ny rehetra, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Mino sy manantena ihany koa izy ireo fa voarain’ny rehetra ny hafatra nataon’ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa tsy hiroboka any amin’ny resaka adim-poko satria efa nisy nandrangaranga izany teto. Nisy ihany koa ny fanaratsiana samihafa izay tsy mendrika ny Malagasy intsony ary nisy hatramin’ny fandrahonana fa raha tsy lany amin’ny fihodinana voalohany dia hanao izao sy izao. Samy ambany lalàna isika ary samy manaiky ny didim-pitsarana, ka miezaka mafy amin’ny fihodinana faharoa, hoy ity solombavambahoaka ity. Eo am-pelantanantsika rehetra ny hoavin’ity firenena ity, ka tongava mifidy hoy izy nanentana ny olom-pirenena tsy ankanavaka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT