Misy fitoriana mandeha any amin’ny fampanoavana mahakasika ny depiote Tody Arnaud sy Randriamandimbisoa Félix amin’izao.
Mifototra betsaka tamin’ny raharaha fidirana tao amin’ny antenimierandoholona ny 7 mey noho ny fisian’ny tolona sy ny fakana mpiasa izy io, raha ny resaka mivoaka. Nilaza kosa izy ireo fa tsy milefitra ary tsy matahotra fisamborana izany. Raha sahy dia tongava eny amin’ny 13 mey misambotra anay, hoy ny valin-kafatra. Fa angaha moa efa nesorina ny zo tsy azo samborina ananan’izy ireo sa don-tandroka no betsaka ? Tsotra ny tenin’izy ireo, dia ny hoe tsy mahazaka demokrasia ny mpitondra. Ingahy Rivo Rakotovao no atidohan’io, hoy i Tody Arnaud. Raha mitory ianao dia mila jerenao ny andininy mahakasika izany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana hoe inona no antony hahafahana manenjika sy mitory ? Tsy nisy izany akory raha ny fanazavan’io depiote sady mpahay lalàna io, izany hoe tsy mitombina ny fitoriana fa ramatahora fotsiny. Hentitra ny depiote Hanitra Razafimanantsoa nilaza ny handrovitana ny fiantsoana, ary nilaza fa manana manome loharanom-baovao eny amin’ny mpitandro ny filaminana. Nanamafy moa ireo depiote fa raha hisambotra dia ny depiote 73 mihitsy no samborina. Voalaza fa tratran’ny fandrahonana hosamborina koa i Hery Rasoamaromaka ao amin’ny MAPAR sady mpanao “rallye” sy ny Mapar sy ny depiote Razafindrafito Lova, ity farany izay nilaza fa nantsoin’ny filoha tamin’ny finday sy notambazana 200 tapitrisa ariary mba hiara-dia amin’ny HVM. Raha tianareo, henoy tsara izany ry mpitondra mitapitapy ireto, fa rehefa tian’ialahy isany hosamborina sy rehefa tian’ialahy isany handeha mafy ohatran’ny mpanao “rallye” kosa ny fionganan’ialahy isany eo, dia andramo sambory, hoy ny teny mahery avy amin’ny depiote Tinoka Roberto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.