Politique

Depiote Famindra Justin “Tsy hisy fampandrosoana eto raha hifanongana lava”


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Misy sa resa-be ilay rijan-teny milaza ilay “pacte de responsabilité” tonga eny Tsimbazaza ankehitriny ? Fanontanian’ny maro io, ho an’ny depiote Famindra Justin, izay mitarika ny vondrona parlemantera Mapar II dia

 
“tsy hisy mihitsy izany fampandrosoana izany eto amintsika, raha mbola mitohy hatrany ny fifanonganana izay niainan’ny Malagasy tao anatin’ny 43 taona izao”. Nomarihan’ity solombavambahoaka ity hatrany, fa “feon’Andriamanitra ny feom-bahoaka naneho ny safidiny, ka tokony hahay handray izany ny rehetra, tokony hahay hiandry fifidianana ihany koa ny mpanao politika”. Izay, araka ny teniny, no nahatonga azy nanao sonia ilay rijan-teny mirakitra ny “pacte de responsabilité” tonga eny Tsimbazaza. Mahatsapa izy fa “hitondra fitoniana sy filaminana ary fahamarinan-toeran’ny mpitondra hiteraka fampandrosoana ho an’ny vahoaka io”. Taratasy iray ihany no mirakitra ny rijan-teny misy ilay “pacte de responsabilité”, izay ahitana fizarana roa mazava tsara, ka ny voalohany dia misy ny fanontaniana momba ny fankatoavan’ny depiote ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena hitantanany ny fampandrosoana eto, sy ny faharoa misy ny rijan-teny mirakitra ny pitsopitson’ilay fifampitokisana sy fiaraha-miasa matotra eo amin’ny mpanatanteraka sy ny parlemanta. Ireo rehetra ireo no eken’izay manao sonia ilay rijan-teny noteren’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hotanterahan’ny roa tonta.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT