Mitaky ny hanambaran’Ambatovy ny tena vokatra nikela naondrany marina ny depiote Famindra Justin, voafidy tao Toamasina.
Milaza ity farany fa «tsy misy ny mangarahara» amin’ity orinasa ity mikasika izany, nefa miankina amin’izay ny hetra sy haba tokony haloany amin’ny fanjakana malagasy sy ny kaominina nivoahan’ny vokatra. Nanome soso-kevitra aza Atoa Famindra Justin ny hametrahana barazy fanaraha-maso ny nikela sy kobalta mivoaka mba tena hisy vokany amin’ny malagasy ny fitrandrahana ny hareny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.