Politique

Depiote eny Tsimbazaza “Tsy hiala izahay”


  • Alarobia 06 Mey 2015

Tsy levon’ny vavonin’i Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny tolo-kevitry ny Fihaonambe ho an’ny dinika fampihavanana maniry ny handravana ny Antenimieram-pirenena.

 

 

Fanakianana mavaivay

Niompana  tanteraka  tamin’ny fitsikerana an’iny fihaonambe natao teny amin’ny trano  fivoriana iraisam-pirenena iny ny   kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena izay nataon’ny filohany omaly  teny  amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Olom-boafidy ny  Solombavambahoaka ary  tsy manaraka ny lalàmpanorenana ny fandravana azy noho ny fangatahan’olom-bitsy izay mampisalasala ny hanekena azy ho solontenan’ny vahoaka 22 tapitrisa, hoy ny  fehin-tenin’i Atoa Jean Max Rakotomamonjy. Mandala ny fampihavanana ny Antenimieram-pirenena, hoy ny nambarany saingy manohitra kosa ny fandravana ity andrim-panjakana ity. Fikasana  handrava izay fonosin’ny kajikajy politika tsy hahitam-bokatsoa, hoy ny nambarany. Nampangidy rora ireo  Solombavambahoaka mihitsy iny soso-kevitra iny ary nahakivy azy ireo. Fanaovana tsinontsinona ny safidim-bahoaka izany, hoy ihany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena. Azo heverina fa fankasitrahana ny hevitr’Atoa Jean Max Rakotomamonjy ny tehaka mirefodrefotra nasetrin’ireo solombavambahoaka ny fanambarany omaly, izany hoe samy te hifikitra amin’ny sezany izy ireo, milaza fa voafidim-bahoaka ka tsy hanaiky ny hiala izany mihitsy.

Mpitari-bato vilam-bava

 Nanaitra ny mpanatrika sasany ity lanonam-panokafana ity kosa ny  fihetsik’Atoa Jean Max Rakotomamonjy izay nilaza fa  manohana ny  fampihavanana kanefa tsy nahitana na dia singan-teny  iray akory tamin’ny  lahateniny  mba miaiky izay lesoka teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ka mety nahatonga ireny tolo-kevitry ny mpizaika teny Ivato ireny. Tsy misy afaka ny hilaza fa manana ny marina 100%, hoy ny Amiraly Ratsiraka izay  fa samy manan-tsiny sy  nanana ny kilemany avokoa ary tsy ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena mihitsy no ho afaka handa izany. Mitodika  amin’ny  Filoham-pirenena ny mason’ny mpanara-baovao  ankehitriny   miandry izay fanapahan-keviny na hanaraka ny hevitry ny mpizaika izay tsy tokony ho hadinoina fa solontenan’ny maro na tsy ny vahoaka rehetra aza, na homba iretsy  Solombavambahoaka eny Tsimbazaza ?


Andry Ratovo  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT