Tonga nitokana ny tohatohabato mirefy 15 metatra sy paompin-drano vaovao tao Nanisana omaly ny depioten’ny boriborintany faha-5, Clarisse Rasendramiadana.
Na dia tsy mpanao lalana aza ny solombavambahoaka dia tsy hay ny tsy hanampy ireo mponina raha nahita ny faharatsian’iny lalana iny fahiny. Mitombo ihany koa ny mponina ary ilaina ny famatsiana rano fisotro madio. Izahay mpiara-dia amin’ny filoha Ravalomanana, hoy izy, dia manohy manatsara fa tsy mamotika. Isika rehetra niara-nahita fa niharin-doha ny toekarena Malagasy teo anelanelan’ny taona 2002 sy 2008 saingy ravan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 izany. Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fahamaroan’ireo kandida hirotsaka ho filoham-pirenena ihany koa moa ity depiote voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ity ary nanambara fa aleo hirotsaka daholo izay te hirotsaka fa fantatry ny vahoaka izay nanorina sy nanangana fa tsy namotika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.