Politique

Depiote Clarisse Rasendramiadana “Aza kivy mitady kara-pifidianana.”


  • Alatsinainy 05 Novambra 2018

Nanateran’ireo mponin’ny boriborintany fahadimy hiandraiketany fitarainana mikasika ny tsy fahitana kara-pifidianana sy ny tsy fahatomombanan’izany koa ny depiote Clarisse Rasendramiadana raha ny tatitra nataony teny Nanisana omaly.

 

 

 Maro ireo mponina izay nimenomenona momba ny resaka kara-pifidianana tety aminay, hoy izy. Tao ireo nilaza fa tsy nahazo intsony. Nisy ny sasany nahazo saingy tsy nisy soratra ny ilany. Nampahery ireo vahoaka nitaraina moa izy amin’ny maha solombavambahoaka azy hoe aza kivy mitady kara-pifidianana. Raha misy tsy mahafa-po dia manontania mihitsy ny etsy amin’ny CENI Nanisana fa akaiky antsika io. Tamin’ny 2009 isika nitabataba hoe miverena i Dada. Ankehitriny i Dada efa eto ary ny hamerina azy eo amin’ny fitondrana no tanjontsika ka aza kivy, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity. Nisy ihany koa ny fandalovany tany amin’ny tanindrazany, izany hoe, kaominin’Ambohibary Manjakandriana, nanentanany ny mpiray tanindrazana aminy hifidy izay kandida ho filoham-pirenena laharana faha-25 ao amin’ny bileta tokana na dada Marc Ravalomanana izay. Tonga maro, hoy izy, ny olona ary miandrandra ny fanamboarana ny lalana satria tsapan’ireo mponina fa ilaina tokoa izany ary nony potika dia zara raha nisy vokatra niakatra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT