Zava-dehibe hoy ny depiote Aureline ny fahavitan’ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany izay nandiniana ny tetibolam-panjakana sy nifidianana izay solon-tena ny solombavambahoaka any amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana
Afaka miroso lalindalina kokoa amin’ny asa fampandrosoana amin’izay hoy izy ny fitondrana mpanatanteraka. Nambarany fa rehefa vita ny fivoriana izay tanterahana eto Antananarivo dia hidina hitety ireo kaominina mandrafitra ny distrika Ambatondrazaka ny tenany hanatanteraka ireo fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra. Niangavy ny mponina any amin’ny distrika Ambatondrazaka ny tenany mba hiandry kely izay ezaka ataony amin’ny fitadiavana mpiara-miasa afaka hampandrosoana ny distrika izay nahavoafidy azy. Nomeny toky ireo mpanabe FRAM fa tsy maintsy hisy ny fandraisana mpiasa mpanjakana amin’ity taom-pianarana ho avy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.