Nampiaka-peo tamin’ny tsy fanekeny ny tsy fahatrarana ny fetrisan’ny mpivory tokony hankato ny volavolan-dalàna nodinihana tao anatin’ny fivoriana nitambaramben’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny depiote Anyah na Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina omaly tolakandro
Avy eo dia nivoaka ny efitrano fivoriana tsy nandray anjara tamin’ny tsangan-tanana izy, narahin’ny depiote MAPAR namany iray Ratsivalaka Michèle tato aoriana. Tsy te hiray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna izahay, hoy i Anyah ka naleonay nivoaka. Tokony hanana fahamendrehana manoloana ny vahoaka nifidy azy ny solombavambahoaka, hoy izy, fa tsy hihinana ambolony fotsiny tahaka izao. Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’Antananarivo nitarika ny fivoriana omaly tolakandro io anefa fa 59 ry zareo no nanamarina ny fahatongavany ary nisy ny nivoaka niditra ny efitrano fivoriana, 15 kosa ireo depiote nahatonga fialantsiny tsy hivory omaly ka efa mihoatra ny fetr’isa takian’ny lalàna izay 74 izany dia natao ny tsangan-tanana. Nomarihan’ity filoha lefitra ity moa fa volavolan-dalàna telo no indray lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’io omaly io dia ny mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro ka hanaovantsika Malagasy sonia ny fifanarahan’i Kiyoto, faharoa ny mikasika ny fifandraisana ara-elektronika eo amin’ny fandraharahana ara-barotra na ara-taratasim-panjakana ary farany dia ny volavolan-dalàna mikasika ny fankatoavana ny sonia elektronika ampiasaina amin’izany fandraharahana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.