Politique

Depiote Andriamasimanana Auréline Tonga ao Toamasina nanohana ireo ekipan’Alaotra


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Nahatsapa amin’ny maha solombavambahoaka sy amin’ny maha ray aman-dreny azy, dia tonga mifanampy amin’ireo ekipan’Alaotra miatrika ny lalao an-tsekoly ao Toamasina mihitsy ny depiote Andriamasimanana Auréline

Nisy ny fihaonana nataony tamin’ireo mpitarika ireo tanora nandinihana ny hifanampiana sy hifampizarana ny olana samy hafa. Nisy ihany koa ny fijereny ireto tanoran’Alaotra ireto izay nanolorany fanampiana azy ireo hiatrehana ireo lalao ara-panatanjahantena sy kolontsaina hifaninana mandritra ny 10 andro ny “Farombaka 2014”. “Adidy tsy maintsy ataoko ny manampy azy ireo satria lavitra ny ray aman-dreniny ireo ankizy ireo, ka mila fanohanana ara-tsaina sy ara-tsakafo ary ara-moraly satria ny tanjona nialany an-tanàna ihany koa dia ny hifaninana sy handrobaka ny amboara”, hoy Rtoa Depiote; izay nohamafisin’ny talem-paritry ny fampianarana Alaotra Atoa Mahandra fa “ny handrobaka ny amboara be indrindra sy hahazo ny laharana voalohany no tanjonay amin’ity taona ity, izay entinay hanarenana ny zava-nitranga tamin’ny taona lasa tany Antsirabe”. Mandray anjara amin’ny lalao hazakazaka lahy sy vavy, baskety, handy, volley vehivavy ary ny kitra lehilahy ireto ekipa miisa 90 avy any Alaotra Mangoro ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT