Ny Zoma faha 29 Aogositra ka hatramin’ ny Alatsinainy 01 Septambra 2014 ny fitsidiham-paritra nanaovana tatitra nataon’ny solombavambahoaka voafidy tao Ambatondrazaka, Rtoa Andriamasimana Aureline
Nifanandrify indrindra tamin’ny hetsika fankalazana ny faha-35 taona niorenan’ny fikambanana FIZALAOTRA izany. Nanotrona hatrany ny hetsika rehetra ny tenany ary nitondra tohana sy fanampiana koa ho an’io fikambanana io. Ny tena vaindohan-draharaha noheveriny fa maika moa, izay tena anton’ny fitsidihana, dia tao ny tatitra ny asa vitan’ny parlementera nandritra ny fotoam-pivoriana, fa indrindra ihany koa fa ny fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka. Nisongadina nandritra izany ny fitaraian’ny vahoaka amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana. Avy hatrany dia nampiantso fivoriana miaraka, narahana nidinika tamin’ireo mpitandro filaminana Ramatoa Solombavambahoaka. Reny avokoa ny olana sedrain’ireo mpitandro ny filaminana, toy ny tsy fahampiana arak’isa sy ny fitaovana enti-miasa ary ny tsy fisian’ny fifampitokisana firy intsony eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka. Teo koa no nahalalana fa ny adin-tany no tena antony lehibe goavana miteraka ny tsy fandriampahalemena any Alaotra. Nisy moa soso-kevitra naroson’ny mpitandro ny filaminana momba izany rehetra izany. Namaly avy eo, Ramatoa Solombavambahoaka, fa hitondra izay tokony hampahafantarina ny fahefana mpanatanteraka fa ny azony natao avy hatrany kosa dia ny fanolorana lelavola mitentina 2.000.000 Ariary, mba hahafahana miroso avy hatrany amin’izay tokony ho vita aloha. Mbola nampanantena moa ny tenany fa hanohy hatrany ny fifanampiana amin’ireo mpitandro ny filaminana ary anisan’ny hojereny aloha ny fomba hahazoana moto crosse. Amin’ity herinandro ity moa dia mbola hanohy ny fitsidihana indray ny depiote Andriamasimana Aureline, ka eo amin’ny lafiny sosialy sy ny fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra indray no ho votoatin’ny fitsidihany mandritra izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.