Politique

Depiote Andilamena sy ny lehiben’ny Faritra Hifanome tanana ho fampandrosoana an’Alaotra


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Tombontsoa iombonana no jerena fa hajanona ny resaka firehana eo amin’ny fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nivoitra izany nandritra ny fitsidihana voalohany notanterahan’ny lehiben’ny Faritra Ranaivonirina Jean Yves tany amin’ny Distrikan’Andilamena ny alatsinainy

 

 teo, tao amin’ny kianja fanaovam-baolina. Hiara-kisalahy eo amin’ny famahana ny olan’ny mponina ireo solombavambahoaka voafidy tany amin’ny faritra Alaotra sy ny ao amin’ny fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro. Voaresaka nandritra ity fitsidiham-paritra ity ny mahakasika ny tontolo fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fandriampahalemana. Nilaza ny lehiben’ny Faritra fa hisy ny famolavolana drafitra anankiray handrindra ny mahakasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany any Andilamena. Eo amin’ny lafiny lalàna izay maha be resaka dia nanambara ny lehiben’ny Faritra fa manomboka izao dia hisy ny kesy manokana ao amin’ny faritra mba hitsinjovana ny fikojakojana ny lalana. Voaporofo tao Andilamena fa mahay miray hina ny zanak’Alaotra na eo aza ny hevitra tsy itovizana. Fihaonana tamin’ireo zokiolona no namaranana ny fitsidiham-paritra tany Andilamena ity.


Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT