Namoaka fanambarana ny Departemantam-panjakana Amerikanina tamin’ny alalan’Atoa John Kirby, mpitondra teny mikasika ny toe-draharaha politikan’i Madagasikara. Voalaza tamin’izany fa manara-maso akaiky ny fivoaran’ny
toe-draharaha politika eto Madagasikara i Etazonia. Ezaka goavana no efa vitan’ny firenena hatramin’ny fifidianana sy ny fiverenana amin’ny demokrasia tamin’ny taona 2013 teo no ho mankaty. Manantena izahay fa tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ireo vokatra efa azo izao toe-draharaha politika misy ankehitriny izao, hoy ny fanambarana. Miantso ny mpisehatra rehetra ny Amerikanina hamaha izao olana politika izao ao anatin’ny fanajana tanteraka ny tany tan-dalàna sy amin’ny alalan’ny fifampidinihana eo amin’ny sehatry ny firenena mba hitandroana hatrany ny fahamarinan-toerana ara-politika izay ilaina mba hampandrosoana ny toekarena, hanintonana ireo mpampiasa vola, hamoronana asa ary hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Mila miara-miasa ireo mpitarika politika rehetra mba hahatraran’i Madagasikara ny fahefany feno amin’ny lafiny maro. Ny fitandroana ny soa ho an’ny vahoaka Malagasy no tokony ho laharam-pahamehana voalohany ho an’ny rehetra”, hoy hatrany ny fanambarana.
Nangonin’i Jean D.
John Kirby, mpitondra teny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.