Hankalazaina anio alatsinainy 15 septambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia. Ho an-dRabesahala Frederic filoha nasionalin'ny Aron'ny demokrasia na ny “Alliance pour la Restauration de la Démocratie”,
ny demokrasia dia fahafahan'ny olon-drehetra maneho ny heviny ka rehefa mifanazava sy milaza ny azy avy ny tsirairay dia misy ny fanapahan-kevitry ny besinimaro. Araka izany dia “tokony hahay handefitra izay tsy misy manaraka ny heviny”, hoy ny filoha nasionalin’ny ARD. Ho an’ny Fanorolahy tarihin-dRandrianary José indray dia mitety faritra manazava amin’ny vahoaka ny tena demokrasia marina no ataon’izy ireo, arahin’ny fizarana fanampiana ho an’ny mponina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana ny Fokonolona hanohitra ny fahantrana sy ny kolikoly. Tsy voatery ho ao anaty fitondrana vao afaka manampy ny vahoaka, hoy Randrianary José fa azo atao tsara ny manao izany andavanandro. Izay amin’izy ireo no fitondrana entim-bahoaka marina ary entiny hatrany hatrany mandrapahatongany eo amin’ny fitondrana rahatrizay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.