« Omeko, tsy omeko » ! Izany no tsikaritra nandritra ny hetsika fitakiana ny rariny sy ny marina nandritra ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Efa hita taratra izao fa voarara ny fanehoan-kevitra ankalamanjana sy an-dalambe ary na aiza na aiza io, na amin’ny inona na inona io. Voasoketa ho mpanakorontana sy mpanongam-panjakana izay mihetsika. Voalaza fa sakana ho an’ny fampandrosoana. Giazana sy bodoina toy ny fomba mahazatra ny haino aman-jerim-panjakana mba tsy hivoahan’ny marina rehetra. Anjaran’ny solontenam-panjakana voakasik’izany ny manome fahazoan-dalana mifanaraka amin’ny lalàna, rehefa tsy manohitohina ny filaminam-bahoaka ary kosa tomponandraikitra amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny hetsika nahazoan-dalana ny mpikarakara. Tany demokratika i Madagasikara ary malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny famoriam-bahoaka ny fitantanana demokratika ary voalazan’ny and.10 ao anatin’ny lalàmpanorenana izany. Raha mitovy ny fampiharana ny lalàna, ny fahafahana miditra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ny fanaovana fivoriana ara-politika ary fanehoan-kevitra ankalamanjana na an-dalambe dia voahaja ny sata demokratika. Mifanohitra amin’izany ny zava-misy, mahina amin’ny ratsy atao ka tsy mahazaka fangaraharana ka tsy hisy intsony ny sehatra sy fomba hahazoan’ny vahoaka maneho hevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.