Politique

Delestazy teny amin’ny antenimieram-pirenena Niaina nivantana izany ireo ministra


  • Alakamisy 26 Martsa 2015

Tapaka nandritra ny minitra maromaro, omaly takariva, ny jiro teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ka voatery niato kely koa ny fivoriana nitambarambe nataon’ireo depiote.

 

 Samy niaritra ny maizina tao ireo depiote tonga nivory sy ireo mpikambana maro avy amin’ny governemanta, niisa nanodidina ny 20 tany ho any nanotrona ny minisitry ny atitany namany tamin’ny fanohanana ilay volavolan-dalàna 003-2015. Voatery niandry ny fiverenan’ny jiro moa ny rehetra satria tsy misy gropy manohy ny firehetan’ny jiro ity Lapa ity rehefa misy fahatapahana tahaka izao. Tetsy an-kilany, mbola nifanebaka imason’ny vahiny ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka izay nikilasy ny depiote Naivo Raholdina avy amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo ho tsy nanaja ny fitsipika mifehy ny Antenimiera amin’ny fanaovana akanjo mihaja rehefa mandray fitenenana  ary mametraka karavato mihitsy aza. Tsy misy an’izany lalàna izany ato, hoy ny voateny, fa  fiangavian’ny filohan’ny Antenimiera fotsiny izany. Tonga hatrany amin’ny fitenenan’ny depiote Raholdina moa ny resaka fa izy dia “Styliste” maharaka tsara ny haingo misy. Ny nahavariana dia nifampihantsy tety ivelan’ny trano efa nifanambana totohondry mihitsy ireo depiote mirahalahy ireto ary narahina mpiandry maro ny iray tamin’izy ireo tamin’izany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT