Nesorina fa hoe tsy mahavita azy
`Le rangahy minisitry ny angovo izay,
Kanjo mainka nitombo ny delestazy
Sy ny rano tapaka aty aminay.
Telo volana ihany no fetra voalaza,
(Tsy hoe olom-poana `lay niteny izany ),
Kinanjo ny tohiny, toa resa-jaza,
Fa maizina ny eto, mihamaizina hatrany.
Ny anay sarobidy ny teny nomena
F`izahay vahoaka no tompon-tsafidy.
Mpitondra o ! `zahay aza rebirebena.
Tsy adala izahay fa mba mahatadidy.
Raha toa tsy tanterakareo ny fanamby,
Mialà moramora fa leo ny vahoaka.
Tsy mety amintsika ny mifampitamby.
K`aleo `ndray ny hafa ry tsy misy hapoaka.
DADAN`I ZINA (30-10-14)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.