Nampiakarina tao amin’ny TVM mba hamono afo araka ny fomba fiteny omaly alina ny tale jeneralin’ny Jirama Atoa Razafindroriaka Nestor rehefa avy nandamin-dresaka tany Toamasina niaraka tamin’ireo manampahefana vitsivitsy
Sahirana ny firenena, hoy izy ary nateraky ny zava-nisy sy ny fitantanana teto amin’ny firenena efa hatramin’ny ela no nahatonga izao olan’ny delestazy izao. Tsy ampy ny vokatra vokarin’ny Jirama manerana an’i Madagasikara, hoy Razafindroriaka Nestor. Momba an’i Toamasina manokana dia nambarany fa mandeha tsikelikely ny famahana ny olana, efa mandeha hoy izy ny gropy 6 izay mamokatra 6 MW. 15 MW ny vokatra Tao Toamasina teo aloha niampy io 6 MW io dia lasa 21 MW izany, tsy ampy 3 MW io satria 24 MW ny tena filan’ny tanànan’i Toamasina. Misy ny dingana tsy maintsy arahana amin’ny fampandehanana sy fampihodinana ireo gropy ireo hoy izy fa tsy hoe tonga dia mandeha be. Mbola manjavozavo ny famahana ny olan’ny delestazy eto amintsika raha raisina ny resaky ny tale jeneralin’ny Jirama. Nanaboribory resaka fotsiny izy omaly nilaza fa manao ezaka goavana ny fitondram-panjakana hamahana ny olana ary andrasana ny famatsiam-bola satria efa fanjakana voafidim-bahoaka no mijoro… Ka moa va tsy mbola ho ela izany ny famahana ny olana satria tsy hivoaka ato anatin’ny 1 na 2 volana mihitsy ny famatsiam-boala an-tapitrisany dolara ilaina amin’ny fanarenana ny Jirama, ny kitapom-bolam-panjakana anefa foana ary ny jirama dia matiantoka isam-bolana. Heverina fa tsy nisy ny olana saro-bahana tahaka izao raha tsy niteniteny foana nilaza fa hanafoana ny delestazy ao anatin’ny 3 volana ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 25 janoary 2014, noraisin’ny vahoaka ho fampiesonana sy famitahana azy mantsy ny zava-misy ka mety ho izany no antony mampitroatra azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.