Oktobra, novambra … ho tapitra voatanisa ihany ny volana telo sisa ao anatin’ny taona. Mifamahofaho be ihany ny amin’ny fe-potoana faritan’ny mpitondra hifehezana ny delestazy izay tsy vitan’ny mampimenomenona ny mpanjifa intsony ankehitriny fa efa mampiteny ratsy mihitsy amin’ny zava-doza aterany, toy ny fahasimban’ny fitaovana, ny fahapotehan’ny asa fihariana manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana.
Raha nihaona tamin’ireo Malagasy mila ravinahitra any Etazonia ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery dia nilaza fa “tapitra amin'ny faran'ny volana oktobra ny delestazy ao Antananarivo, fa amin’izay vao tratra ny famokarana 68MW”, raha telo volana taorian’ny nandraisany fahefana feno tamin’ny 25 janoary 2014 no nambarany ho rentany ho rendanitra teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina dia ho foana ny delestazy. Izao indray anefa dia milaza ny minisitry ny angovo Horace Gatien fa any amin’ny volana novambra any vao mety voafehy ny delestazy, amin’izay indray mbola lazaina fa hiakatra ny faktioran-jiro. Ny nampanantenaina ny mpanjifa anefa tamin’ny nanomezana alalana ny orinasa Symbion Power handray an-tanana an’i Mandroseza sy fanorenana toby mpihary herinaratra vaovao hafa, dia ny hihenan’io faktioran-jiro io. Ny tenin’ny filoha dia mitovy amin’ny baiko, rehefa milaza izy fa faran’ny oktobra io, dia manao izay hitazonana izany ny governemanta. Fa maninona no manao fanambarana samy hafa ny samy mpitondra ? Sa kalandrie samihafa no ampiasain’izy ireo ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.