Raha mbola nitoerana fanontaniana maro ny amin’ny fanatanterahana ny fihaonan’ny filoham-pirenena sy ireo depiote hidinika an’ilay “Pacte de résponsabilité” voalazan’ny Fitsarana avon’ny lalŕm-panorenana ho tokony ho tanterahina dia fantatra fa teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha no nihaonana tamin’ny farany.
Nahitana olona 5 notarihan’ny filohan’ny Antenimiera ireo delegasiona avy eny Tsimbazaza no tonga teny an-toerana. Satria dinika “à huis clos” no natrehan’ny roa tonta ka dia mazava loatra fa tsy nisy resaka nipiaka na dia tonga maro teny Iavoloha aza ny mpanao gazety. Teny amin’ny Lapan’ny Iavoloha taorian’ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny namany vao nanaiky nilazalaza ny zava-nitranga tamin’ny mpanao gazety ireto sombavambahoaka ireto. Raha niandry fanazavana maro tamin’ny delegasiona ireo mpanao gazety maro dia karazana ambangombangon-javatra ihany no nambaran’ny depiote Razafitsiandraofa Brunelle izay nitondra-tenin’ireto solombavambahoaka ireto ka nilazany fa karazana fifanolorana soson-kevitra amin’ny firosoana amin’ny dinika no tena natao teny Iavoloha omaly ka izahay depiote nanome ny hevitra ho dinihan’ny filoham-pirenena, izy koa nanolotra ny azy ho dinihan’ny ety Tsimbazaza. Izany hoe tena ilay antsoin’ny vazaha hoe “Préalable” no vita teny Tsimbazaza androany alarobia 01 jolay 2015. Ny fanampim-panazavana nomen’ny depiote Rabetafika Norovelomampionona Roberthine kosa anefa dia nanampy fa nisy fangatahana avy amin’ireo solombavambahoaka ny hanohizana ny dinika manaraka any amin’ny toerana tsy an’ny atsy sy aroa, nefa ny filoham-pirenena etsy an-kilany dia nanizingizina fa Lapam-panjakana ny eny Iavoloha ka mendrika ny hanaovana ny dinika. Nisy ihany koa ny resaka fanelanelanana saika ho ataon’ny Iraisam-pirenena amin’ity resaka ity nefa nambaran’ny filoham-pirenena fa resaka vita ny samy Malagasy izany ka tsy tokony hidiran’ny any ivelony. Farany dia voaresaka teny Iavoloha omaly koa ny amin’ny tsy tokony hanelingelenan’ny fitondram-panjaka ny solombavambahoaka ao anatin’ny fivoriana tahaka izay nahazo ny depiote Rakotomanga Lanto farany teo. Tsy nisy araka izany ny zava-tapaka omaly teny Iavoloha fa ny fanomanana ny dinika manaraka no tena nimasoan’ny andaniny sy ankilany ka samy mandinika ny zava-misy any aminy daholo aloha ny roa tonta. Ny azo ambara kosa aloha dia ny hoe tena misy ny fahavonon’ny eny Iavoloha sy eny Tsimbazaza ny tena hiroso amin’ity “pacte de résponsabilité” ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.