Politique

Datim-pifidianana Mailo ny CENI


  • Alarobia 09 Mey 2018

Miangavy ireo tompon'andraikitra politika isan-tsokajiny miaraka amin'ireo rehetra izay mahatsiaro fa manana adidy amin'ny tanindrazana ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, mba hiara-kidinika ka handray fanapahan-kevitra ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy hametrahana ny fitoniana.

  Manamafy fa ny fifidianana madio, mangarahara, andraisan'ny rehetra anjara ary mamoaka vokatra eken'ny rehetra ihany no vahaolana tokana hitondra ny firenentsika eo amin'ny filaminana sy ny fandrosoana maharitra.

Nanolotra soso-kevitra telo ny CENI eo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, ka voalohany ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana, voafaritry ny andininy faha-25 ao amin’ny lalàmpanorenana. Raha ity tranga voalohany ity no mahazo ny safidin'ny rehetra, noho ny antony fanomanana teknika sy ara-pitaovana, dia ny alarobia 29 aogositra 2018 no fotoana akaiky indrindra aroson'ny CENI ahafahana manatontosa ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana. Mila mazava amin'ity volana mey ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika, raha hiditra amin’izany. Hevitra faharoa ny fifidianana filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha-47 amin'ny lalàmpanorenana.  Ny alarobia 28 novambra 2018 no daty atolotry ny CENI, ka mila mazava amin’ity volana ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika. Hevitra fahatelo kosa ny fanemorana ny fifidianana. Ny ahafahana manemotra ny fifidianana mantsy dia voafaritry ny andalana fahefatra amin'ny andininy faha-47 amin'ny lalàmpanorenana. Raha ity tranga fahatelo ity no ifanarahan'ny besinimaro, ny CENI dia manolotra ny datin'ny alarobia 29 mey 2019 hanatontosana ny fihodinana voalohany. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa efa natsidika teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny 19 febroary 2018, fa mety hihemotra amin’ny mey 2019 ny fifidianana. Mba hialan'ny ahiahy tsy ihavanana dia mampahatsiahy ny CENI fa ireo kandida ofisialy rehetra hirotsaka ho filoham-pirenena dia manana zo hanendry solontena iray ho mpikambana ato amin'ny CENI mandritra ny fifidianana sy ny famoahana vokatra. Manasa ny rehetra ho tonga ao amin'ny "Le Pavé" eo Antaninarenina ny CENI amin'ny zoma 11 mey izao, amin'ny 10 ora antoandro, mba hanatontosa sehatra ifampidinihana. Iangaviana ho tonga amin'izany ireo raiamandreny ara-panahy, tompon'andraikitra politika, ireo lohany amin'ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety, ary izay tsara sitrapo rehetra.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT