Tonga ankehitriny ny fotoana ahafahana miteny, hoy ny filohan’ny antoko Aba, Dany Rakotoson. Rehefa tsy misy ny herisetra dia mety izay.
Ao anaty demokrasia marina isika izao. Kandida 36 ireo ary efa hihena 14 raha hanolotra kandida tokana ireo 20 mahery. Efa ela no niantsoanay ireo mitaky fanorenana ifotony hoe mitambara ianareo dia tanteraka izy io. Faly izahay, hoy hatrany izy. Mahaiza mifidy ry vahoaka satria fotoana hanehoana fahendrena izao. Ny olona hofidiantsika ao anatin’ny 5 taona dia hamaritra ny hoavintsika ao anatin’ny 20 taona. Zavatra tsara no misy amin’izao satria manomboka tsy matoritory intsony ny gasy. Ny mpitondra sy ny mpanao politika no mifanambaka sy mifanalika ary mifangalatra fa isika efa manomboka mahatsiaro tena ho tomponandraikitra. Mety misy amin’ireo kandida ireo no tia tanindrazana tokoa ary misy tsy manao afa-tsy ny mitetika hangalatra. Soa ho antsika izao mitranga izao, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.