Fampisehoana fa efa miha matotra sy vonon-kiroso amin’ny fivoarana ny firenena no azo amakiana ny zava-mitranga nisy teto amin’ny firenena nandritra iny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana iny, hoy ny
filohan’ny antoko politika Antokom-Bahoaka Malagasy (ABA), Dany Rakotoson. Tsy azo lavina fa nisy ny tsy fetezan-javatra. Ny mahagaga anefa dia tsy misy ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra sy fanadihadiana mikasika izany hatramin’izao. Tokony hisy ny fanasaziana ireny ary izay no angatahanay ato amin’ny ABA ary tokony havoaka ireto avy ireo tompon’andraikitra. Ny tany tan-dalàna dia tsy manaiky tsimatimanota, hoy hatrany ity filoha ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.