Manohana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mikasika ny fitorian’ny solombavambahoaka hanongana ny filohan’ny Repoblika aho,
hoy i Dadasamy na Andrianasolo Samuel. Aminy dia fanapahan-kevitra mitsinjo ny fampandrosoana sy ny fihavanana no navoakan’ny HCC, koa mampirisika ny hifampiresahan’ny filohan’ny Repoblika sy ny solombavambahoaka ity filohan’ny fikambanan’ny Bekotro maroholatra sy miaramila tranainy any Ihosy ity hirosoana amin’ny fananganana ny antenimieram-panorenana na «Assemblée constituante». Tenin’olon-kendry rahateo, hoy izy no nataon’ny filohan’ny Repoblika milaza fa hanitsy ny fitantanany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.